Asa Fanasoavana Jereo koa Asa fanompoana; Fanampiana; Fanatitra; Fifadian-kanina; Mahantra Fomba sy enti-manana hikarakarana ny ilain’ny ara-panahy sy ny ara-nofon’ny olona. Sokafy tsara amin’ny rahalahinao ny tananao, dia amin’ny malahelo sy ny mahantra eo amin’ny taninao, Deot. 15:11. Izay manome ny malahelo dia tsy hanan-java-mahory, Ohab. 28:27. Tsy izao va ny fifadiana izay ankasitrahako? Ny hizara ny mofonao ho an’ny noana, sy ny hampiantrano ny ory, Isa. 58:6–7. Fa noana Aho dia nomenareo hanina, nivahiny Aho dia nampiantranoinareo. Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko, Mat. 25:35–40. Hanome amin’ny fanananareo ho an’ny ory ianareo, Môzià 4:16–26. Ary izy ireo dia nifampizara ny ara-nofo sy ny ara-panahy araka izay nilainy sy notadiaviny, Môzià 18:29. Izy ireo dia nodidina hiombona amin’ny fifadian-kanina sy ny faherezana mivavaka ho fiadanan’ny fanahin’ireo izay tsy nahalala an’ Andriamanitra, Almà 6:6. Mivavaha ho an’ny fiadananareo, ary koa ho an’ny fiadanan’ireo izay manodidina anareo, Almà 34:27–28. Niarahany nanana avokoa ny zavatra teo anivony, 4 Ne. 1:3. Tsarovy ny mahantra, F&F 42:30–31. Vangio ny mahantra sy ny sahirana, F&F 44:6. Tsarovy ny mahantra sy ny sahirana amin’ny zavatra rehetra, F&F 52:40. Lozanareo mpanankarena izay tsy te hanome amin’ny harenareo ho an’ny mahantra, ary lozanareo mahantra izay tsy afa-po, izay liam-bola sy tsy te hiasa, F&F 56:16–17. Tsy nisy mahantra teo anivon’i Ziona, Mos. 7:18.