Ambaratongam-boninahitra Jereo koa Voninahitra Selestialy; Voninahitra Telestialy; Voninahitra Terestrialy Fanjakana samy hafa any an-danitra. Amin’ny Fitsarana Farany, ny olona tsirairay dia handova toeram-ponenana mandrakizay avy ao amin’ny fanjakam-boninahitra iray manokana, afa-tsy ireo izay zanaky ny Fahaverezana. Nilaza i Jesoa hoe: Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko, Jao. 14:2 (Ete. 12:32). Iray ny voninahitry ny masoandro, ary iray hafa ny an’ny volana ary iray hafa ny an’ny kintana, 1 Kor. 15:40–41. Nakarina tany amin’ny lanitra fahatelo i Paoly, 2 Kor. 12:2. Misy ny toerana tsy misy voninahitra sady famaizana maharitra mandrakizay, F&F 76:30–38, 43–45. Misy telo ireo ambaratongam-boninahitra, F&F 76:50–113; 88:20–32.