Fanangolena Jereo koa Fitaka Ny hoe fanangolena ao amin’ny soratra masina dia hafetsena miharo fitaka. Sambatra ny olona izay tsy misy fanangolena ny fanahiny, Sal. 32:2 (Sal. 34:13; 1 Pet. 2:1). Natanaela dia Isiraelita izay tsy nisy fitaka tao aminy, Jao. 1:47 (F&F 41:9–11). Ny fahalalana madio dia mampivoatra ny fanahy tsy misy fitaka, F&F 121:42.