Fahatsorana Jereo koa Fanetrentena Fitondrantena na endrika ivelany maneho fanetrentena, fihamin’ny, ary fahamaotinana. Ny olona tsotra dia misoroka ny tafahoatra sy ny fahamatesan-kambo. Ary ny Tompo Andriamanitra nanao akanjo hoditra ho an’i Adama sy i Eva ka nampiakanjo azy, Gen. 3:21 (Mos. 4:27). Ny vehivavy hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika, 1 Tim. 2:9. Hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, Tito. 2:5. Maro no tafasondrotra amin’ny avonavona noho ny fahalafosam-bidin’ny fitafiany, Jkb. 2:13. Aoka ny fitafianao rehetra ho tsotra, F&F 42:40. Mino isika fa tokony ho madio fitondrantena sy mendrika, Fp. 1:13.