Fanomezana ny Fanahy Masina
Zon’ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana, izay mendrika sady vita batisa, ny manana lalandava ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Aorian’ny batisan’ny olona iray mba hidirany ny tena Fiangonan’i Jesoa Kristy, dia raisiny ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanan’ny olona izay manana ny fahefana marina (Asa 8:12–25; Môrô. 2; F&F 39:23). Ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina dia matetika lazaina ho toy ny batisa amin’ny afo (Mat. 3:11; F&F 19:31).