Lamàna Jereo koa Lamanita; Lehia, Rain’i Nefia Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, zanaka lahimatoan’i Lehia sy i Sarià sady zoky lahimatoan’i Nefia (1 Ne. 2:5). Nisafidy hanao ny ratsy fa tsy ny tsara i Lamàna tamin’ny ankapobeny. Nimonomonona tamin’ny rainy i Lamàna, 1 Ne. 2:11–12. Nikomy tamin’i Nefia marina rahalahiny, 1 Ne. 7:6 (1 Ne. 3:28–29). Tsy nihinana tamin’ny hazon’aina tao amin’ny fahitan’i Lehia, 1 Ne. 8:35–36. Nianjeran’ny ozona i Lamàna sy ireo mpanaraka azy, 2 Ne. 5:21 (Almà 3:7).