Fiteny, Fanomezam-pahasoavana amin’ny Jereo koa Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy; Lela Fanomezana avy amin’ny Fanahy Masina izay ahafahan’ny olona taomin’ny Fanahy hiresaka na hahazo na handika fiteny izay tsy mahazatra azy. Mino ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny isika (Fp. 1:7). Samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, Asa 2:4. Fa izay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny amin’olona fa amin’ Andriamanitra, 1 Kor. 14:1–5, 27–28. Ny fiteny tsy fantatra dia famantarana amin’ny tsy mino, 1 Kor. 14:22–28. Amin’izany dia ho tonga ny batisan’ny afo sy ny Fanahy Masina; ary amin’izany dia ho afaka miteny amin’ny fitenin’ny anjely ianareo, 2 Ne. 31:13–14. Namporisika ny olona rehetra i Amalekia hino ny talenta amin’ny fitenenana amin’ny teny, Ômn. 1:25. Omena ny sasany ny hiteny amin’ny fiteny hafa, ary ho an’ny iray hafa ny handika ireo fiteny, F&F 46:24–25 (1 Kor. 12:10; Môrô. 10:8, 15–16). Aoka ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny hirotsaka, F&F 109:36.