Tsy Finoana Jereo koa Finoana Tsy fahampian’ny finoana an’ Andriamanitra sy ny filazantsarany. Ary tsy nanao asa lehibe maro teo Izy noho ny tsy finoan’ireo, Mat. 13:58. Tsy nahavoaka ny demonia ny mpianatr’i Jesoa noho ny fahakelezan’ny finoan’izy ireo, Mat. 17:14–21. Vonjeo aho ho afaka amin’ny tsy finoako, Mar. 9:23–24. Nanome tsiny ny Apostoliny i Jesoa noho ny tsy finoany sy ny hamafin’ny fony, Mar. 16:14. Moa ny tsy finoany hahafoana ny fahamarinan’ Andriamanitra, Roma. 3:3. Tsaratsara kokoa ny hahafatesan’ny olona iray toy izay ny firenena no hihemotra ka ho faty ao amin’ny tsy finoana, 1 Ne. 4:13. Raha avy ny fotoana izay hihemorany ao amin’ny tsy finoana dia hataony ny hampielezana sy hikapohana azy, 2 Ne. 1:10–11 (F&F 3:18). Noho ny tsy finoany, dia tsy nety nahatakatra ny tenin’ Andriamanitra izy, Môzià 26:1–5. Tsy afaka naneho fahagagana lehibe tokoa tamin’ny Jiosy Aho, noho ny tsy finoany, 3 Ne. 19:35. Ny sainareo dia nohamaizinina taloha noho ny tsy finoana, F&F 84:54–58.