Ny hatezerana dia fanehoana hasosorana. Nanarin’ny Tompo ny Olomasiny mba hifehy ny hatezerany (Mat. 5:22 ). Tsy tokony hisafoaka amin’ireo olona ao amin’ny ankohonana na ny ray aman-dreny na ny zanaka. Mazàna ao amin’ny soratra masina dia manana ny endriky ny afo ny hatezerana (2 Ne. 15:25 ; F&F 1:13 ).
Dia tezitra indrindra i Kaina sady nanjombona ny tarehiny, Gen. 4:5 .
Ny Tompo dia malain-ko tezitra sady be famindram-po, Sal. 145:8 .
Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy, Ohab. 15:1 .
Ny olona malaky tezitra manetsika ady; fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana, Ohab. 15:18 (Ohab. 14:29 ).
Noho ny Anarako dia ononiko ny hatezerako, Isa. 48:9 .
Namelatra mandrakariva ny tanako tamin’ny firenena izay nahatezitra Ahy Aho, Isa. 65:2–3 .
Na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny ankavia, Mat. 5:39 .
Hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, Ef. 6:4 .
Satria efa nilaza ny marina taminareo Aho dia tezitra Amiko ianareo, Môzià 13:4 .
Hamangy ity vahoaka ity amin’ny fahatezerako Aho, Almà 8:29 .
Ny fisafoahany dia tsy mirehitra na amin’iza na amin’iza, afa-tsy amin’ireo izay tsy miaiky ny tanany amin’ny zava-drehetra, F&F 59:21 .
Izaho Tompo dia tezitra amin’ny olon-dratsy, F&F 63:32 .