Tokantrano Jereo koa Fianakaviana Ny tokantrano dia tokony ho foiben’ny filazantsara sy ny fiainam-pianakaviana. Ho afaka hitoetra ao an-tranony ny lehilahy iray ka hampifaly ny vadiny, Deot. 24:5. Nampody azy ho any an-tranony Izy, Mar. 8:26. Aoka ny ankizy hianatra haneho fitiavam-bavaka ao an-trano, 1 Tim. 5:4. Aoka hahonon-tena, ho madio fitondrantena, hahakojakoja tokantrano, Tito. 2:5. Modia any an-tranonareo ary saintsaino ny zavatra izay efa nolazaiko, 3 Ne. 17:2–3. Namporisika azy aho mba hiadiany ho an’ny vadiny sy ny zanany ary ny tranony sy ny ankaniny, Môrm. 2:23. Didina ireo ray mba ho mazoto sy ho liana amin’ny tokantranony, F&F 93:43–44, 48–50.