Solomona Jereo koa Batseba; Davida Ao amin’ny Testamenta Taloha, zanakalahin’i Davida sy i Batseba (2 Sam. 12:24). Mpanjakan’i Isiraely i Solomona nandritra ny fotoana iray. Nanendry an’i Solomona ho mpanjaka i Davida, 1 Mpan. 1:11–53. Nananatra an’i Solomona i Davida handeha amin’ny lalan’ny Tompo, 1 Mpan. 2:1–9. Nampanantena azy fo hendry ny Tompo, 1 Mpan. 3:5–15. Nitsara reny roa ary namantatra ny tena renin’ilay zaza, 1 Mpan. 3:16–28. Nanao ohabolana sy hira, 1 Mpan. 4:32. Nanangana ny tempoly, 1 Mpan. 6; 7:13–51. Nanokana ny tempoly, 1 Mpan. 8. Novangian’ny mpanjakavavin’i Sheba, 1 Mpan. 10:1–13. Nanambady ivelan’i Isiraely i Solomona, ary namily ny fony hanompo andriamani-kafa ireo vadiny, 1 Mpan. 11:1–8. Tezitra tamin’i Solomona ny Tompo, 1 Mpan. 11:9–13. Nodimandry, 1 Mpan. 11:43. Naminany ny amin’ny voninahitry ny fanjakan’i Solomona i Davida, Sal. 72. nandray vady maro sy vaditsindrano i Solomona, saingy ny sasany dia tsy noraisiny tamin’ny Tompo, F&F 132:38 (Jkb. 2:24).