Mamelona Jereo koa Fitsanganana amin’ny maty Manome aina, mampitsangana amin’ny maty, na manova ny olona iray mba hahafahany manatrika an’ Andriamanitra. Nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy Andriamanitra, Ef. 2:4–5 (Kol. 2:6, 12–13). Novonoina tamin’ny nofo i Kristy, fa novelomina tamin’ny fanahy, 1 Pet. 3:18 (F&F 138:7). Tsy nisy olona nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana afa-tsy izay novelomin’ny Fanahy, F&F 67:11. Ny fanavotana dia amin’ny alalan’ilay mamelona ny zava-drehetra, F&F 88:16–17. Ary ny Olomasina dia hampahavitrihina sy hakarina mba hitsena an’i Kristy, F&F 88:96. Novelomina ny toe-panahy tao anatin’i Adama, Mos. 6:65.