Fanampiana Jereo koa Asa Fanasoavana; Fanatitra; Fifadian-kanina; Mahantra Fanomezana hanampiana ny mahantra. Aza atao eo imason’ny olona ny fanampianao, Mat. 6:1–4 (3 Ne. 13:1–4). Io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izy rehetra, Mar. 12:41–44. Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray, Asa 20:33–35. Mba tiako ny hizaranareo amin’ny fanananareo amin’ny mahantra, Môzià 4:26. Ny vahoakan’ny Fiangonana dia tokony hanome amin’ny fananany, araka izay ananan’ny tsirairay, Môzià 18:27.