Alitara Jereo koa Sorona Orim-bato avoavo ampiasaina ho an’ny sorona, ny fanatitra ary ny fiderana. Nanorina alitara ho an’ny Tompo i Noa ary nanatitra fanatitra ho dorana, Gen. 8:20. Nanorina alitara ho an’ny Tompo i Abrama, Gen. 12:7–8. Namatotra an’i Isaka zanakalahiny teo amin’ny alitara i Abrahama, Gen. 22:9 (Gen. 22:1–13). Nanorina alitara teo i Jakoba ka nataony hoe El-betela no anaran’izany tany izany, Gen. 35:6–7. Nanorina alitara i Elia ary nihantsy an’ireo mpisoron’i Bala, 1 Mpan. 18:17–40. Raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ny alitara ianao, ataovy aloha izay hihavanana amin’ny rahalahinao, Mat. 5:23–24. Hitako teo ambanin’ny alitara ny fanahin’izay voavono noho ny tenin’ Andriamanitra, Apôk. 6:9 (F&F 135:7). Nanangana alitara vato i Lehia ary nanolotra fisaorana ho an’ny Tompo, 1 Ne. 2:7. Novonjena tamin’ny fahafatesana teo amin’ny alitaran’i Elkena i Abrahama, Abr. 1:8–20.