Fahalotoana Jereo koa Faharatsiana; Fahotana; Madio sy tsy Madio; Tsy an’ Andriamanitra; Tsy Fahamarinana Fahalotoam-panahy noho ny tsy fankatoavana an-tsitrapo an’ Andriamanitra. Hanasa ny fahalotoan’ny zanakavavin’i Ziona ny Tompo, Isa. 4:4 (2 Ne. 14:4). Ny fanjakan’ Andriamanitra dia tsy maloto, 1 Ne. 15:34 (Almà 7:21). Ireo izay maloto dia mbola ho maloto, 2 Ne. 9:16 (Môrm. 9:14). Ahoana no ho fihetseham-ponareo raha mijoro eo anoloan’ny fitsaran’ Andriamanitra ianareo, mitondra fitafiana mihosina fahalotoana, Almà 5:22. Tsy maintsy mbola mijanona ho maloto izy ireo, F&F 88:35. Rahoviana aho no hiala sasatra ary ho voadio amin’ny fahalotoana, Mos. 7:48.