Zanak’i Kristy Jereo koa Ateraka; Ateraka indray, Aterak’ Andriamanitra; Jesoa Kristy; Zanakalahy sy Zanakavavin’ Andriamanitra Ireo izay nanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no lehibe indrindra, Mat. 18:1–4. Minoa ny mazava mba ho tonga zanaky ny mazava, Jao. 12:36. Manaisotra ilay olona araka ny nofo ary tonga tahaka ny ankizy, Môzià 3:19; 27:25–26. Noho ny fanekempihavanana dia hantsoina hoe zanak’i Kristy ianareo, Môzià 5:7. Raha hazoninareo avokoa ny zavatra tsara, dia ho tonga zanak’i Kristy tokoa ianareo, Môrô. 7:19. Izay rehetra nandray Ahy dia nomeko hery ho tonga zanako, F&F 39:4. Aza matahotra rankizy madinika, fa Ahy ianareo, F&F 50:40–41. Ianao dia iray ato Amiko, zanak’ Andriamanitra, Mos. 6:68.