Rano Velona Jereo koa Jesoa Kristy Tandindon’ny Tompo Jesoa Kristy sy ny fampianarany. Tahaka ny maha-zavatra fototra ny rano amin’ny fihazonana ny aina, ny Mpamonjy sy ny fampianarany (rano velona) dia zava-dehibe indrindra ho an’ny fiainana mandrakizay. Amin’ny fifaliana no hantsakanareo rano amin’ny loharanom-pamonjena, Isa. 12:3. Efa nahafoy Ahy, loharanon’aina izy, Jer. 2:13. Na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay, Jao. 4:6–15. Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro, Jao. 7:37. Ilay anja-by dia nitondra nankamin’ny loharanon’ny rano velona, 1 Ne. 11:25. Misotroa maimaimpoana amin’ny ranon’aina, F&F 10:66. Ho loharanon’ny rano velona ny didiko, F&F 63:23.