Afo Jereo koa Batisa; Fanahy Masina; Helo; Tany—Fanadiovana ny tany Sarin’ny fanadiovana na ny fanamasinana. Ny afo koa dia azo ampiasaina ho toy ny sarin’ny fanatrehan’ Andriamanitra. Afo mandevona ny Andriamanitrao, Deot. 4:24. Ny Tompo dia manao ny mpanompony ho lelafo miredareda, Sal. 104:4. Hamangy azy amin’ny lelafo mandevona ny Tompon’ny Maro, Isa. 29:6 (2 Ne. 27:2). Ho avy amin’ny afo ny Tompo, Isa. 66:15. Toy ny afon’ny mpandrendrika Izy, Mal. 3:2 (3 Ne. 24:2; F&F 128:24). Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy amin’ny afo, Mat. 3:11 (Lio. 3:16). Hotsimbininy amin’ny alalan’ny afo ny olo-marina, 1 Ne. 22:17. Haringana amin’ny afo ny olon-dratsy, 2 Ne. 30:10. Nanazava ny fomba andraisantsika ny batisan’ny afo sy ny Fanahy Masina i Nefia, 2 Ne. 31:13–14 (3 Ne. 9:20; 12:1; 19:13; Ete. 12:14; F&F 33:11). Hambaranareo amin’ny alalan’ny batisa sy amin’ny alalan’ny afo ny famelana ny fahotana, F&F 19:31. Harodan’ny afo mandevona ilay fiangonana makadiry sy maharikoriko, F&F 29:21. Ny tany dia ho levona tahaka ny amin’ny afo, F&F 43:32. Ny fanatrehan’ny Tompo dia ho toy ny afo mampiempo, F&F 133:41. Natao batisa tamin’ny afo sy ny Fanahy Masina i Adama, Mos. 6:66.