Nefia, Zanakalahin’i Helamàna Jereo koa Helamàna, Zanakalahin’i Helamàna; Lehia, Misiônera Nefita Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, mpaminany Nefita lehibe sady misiônera. Lahimatoan’i Helamàna, Hel. 3:21. Voatendry ho lohan’ny mpitsara, Hel. 3:37. Niaraka tamin’i Lehia rahalahiny nampitodika Lamanita maro tamin’ny filazantsara, Hel. 5:18–19. Voahodidina afo sy tafavoaka ny fonja, Hel. 5:20–52. Nivavaka teo amin’ny tilikambon’ny sahany, Hel. 7:6–10. Nanambara ny famonoana ny lohan’ny mpitsara, Hel. 8:25–28; 9:1–38. Nomen’ny Tompo fahefana lehibe, Hel. 10:3–11. Nangataka ny mosary sy ny fampitsaharana ny mosary tamin’ny Tompo, Hel. 11:3–18.