Nazareta
Tanàna iray eo anivon’ireo vohitra andrefan’ny Ranomasin’i Galilia. I Nazareta no toerana nonenan’i Kristy voalohany (Mat. 2:23). Nampianatra tao amin’ny sinagogan’i Nazareta i Jesoa ary nilaza Izy fa nanatanteraka ny faminaniana ao amin’ny Isaia 61:1–2 (Mat. 13:54–58; Mar. 6:1–6; Lio. 4:16–30).