Mihaino Jereo koa Mankatò; Sofina Mandre sy mankatò ny feo na ny fampianaran’ny Tompo. Hanangana mpaminany iray tahaka an’i Mosesy ny Tompo, ary tokony hihaino azy ny olona, Deot. 18:15. Ny mihaino dia tsara kokoa noho ny saboran’ny ondrilahy atao fanatitra, 1 Sam. 15:20–23. Tsy nohenoinay ireo mpaminany mpanompon’nyTompo, Dan. 9:6. Ny marina izay mihaino ny tenin’ny mpaminany dia tsy ho faty, 2 Ne. 26:8. Raha tsy te hihaino ny feon’ilay mpiandry ondry tsara ianareo, dia tsy ondriny ianareo, Almà 5:38 (Hel. 7:18). Mihainoa ianareo ô ry vahoakan’ny fiangonako, F&F 1:1. Ireo izay mihaino ny feon’ny Fanahy dia voazava ary manatona ny Ray, F&F 84:46–47. Nitaredretra izy ireo hihaino ny Tompo; koa nitaredretra Izy hihaino ny fivavany, F&F 101:7–9. Faizina ireo izay tsy mankatò ny didy, F&F 103:4 (Mos. 4:4).