Sofina Jereo koa Mihaino Mazàna ny sofina dia ampiasaina ao amin’ny Soratra Masina ho toy ny sarin’ny fahaizan’ny olona mandre sy mahatakatra ny zavatr’ Andriamanitra. Manan-tsofina izy fa tsy mandre, Sal. 115:6. Nanokatra ny sofiko ny Tompo mba handre, Isa. 50:4–5 (2 Ne. 7:4–5). Izay manan-tsofina hoenti-mihaino aoka izy hihaino, Mat. 11:15. Efa donto noho ny fihainoana ny sofiny, Mat. 13:15 (Mos. 6:27). Tsy mbola hitan’ny maso na ren’ny sofina ny zavatra izay efa nomanin’ Andriamanitra ho an’ireo izay tia Azy, 1 Kor. 2:9 (F&F 76:10). Mibitsika ao an-tsofiny ny devoly, 2 Ne. 28:22. Sokafy ny sofinareo mba hahazoanareo mandre, Môzià 2:9 (3 Ne. 11:5). Efa nantsoina imbetsaka aho saingy tsy te hihaino, Almà 10:6. Mampandria sofina amin’ny teniko, Almà 36:1 (Almà 38:1; F&F 58:1). Tsy misy sofina izay tsy handre, F&F 1:2. Sokafana amin’ny alalan’ny fanetrentena sy ny vavaka ny sofina, F&F 136:32.