Adidy Jereo koa Mankatò Ao amin’ny soratra masina: raharaha, asa na andraikitra, mazàna omen’ny Tompo an’ireo mpanompony. Tandremo ny didiny: fa izany avokoa no adidin’ny olona, Mpito. 12:13. Inona moa no takin’ny Tompo aminao afa-tsy ny hanao ny marina, Mika 6:8. Tokony hankatò an’ Andriamanitra mihoatra noho ny olona isika, Asa 5:29. Nokapohina tamin’ny fahoriana izy mba hanairana azy hahatsiaro ny adidiny, Môzià 1:17. Voasoritsoritra ireo andraikitry ny loholona, mpisorona, mpampianatra ary diakona, F&F 20:38–67. Tokony hisahana ny adidy rehetra ao amin’ny fianakaviana ireo mpihazona ny fisoronana, F&F 20:47, 51. Voasoritsoritra ireo andraikitry ny mpikambana aorian’ny batisa, F&F 20:68–69. Tokony hiandry mandritra ny fotoana fohy ny loholoko mba hahafantaran’ny oloko tsaratsara kokoa ny adidiny, F&F 105:9–10. Aoka ny olona tsirairay hianatra ny adidiny, F&F 107:99–100.