Mahatonga ho salama na sitrana indray, na ara-batana na ara-panahy. Mirakitra ohatra maro momba ny fanasitranana mahagaga nataon’ny Tompo sy ny mpanompony ny soratra masina.
Izaho no Tompo izay manasitrana anao, Eks. 15:26 .
Nandro impito tao amin’ny Renirano Jordana i Namàna dia sitrana, 2 Mpan. 5:1–14 .
Ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika, Isa. 53:5 (Môzià 14:5 ).
Hiposaka ny Masoandron’ny fahamarinana miaraka amin’ny fanasitranana ao amin’ny elany, Mal. 3:20 .
Nanasitrana ny karazan’aretina rehetra i Jesoa, Mat. 4:23 (Mat. 9:35 ).
Nomena fahefana izy ireo hanasitrana ny karazan’aretina rehetra, Mat. 10:1 .
Naniraka Ahy Izy hanasitrana ny fo maratra, Lio. 4:18 .
Nositranin’ny herin’ny Zanakondrin’ Andriamanitra ireo, 1 Ne. 11:31 .
Raha mino ny fanavotan’i Kristy ianao dia azo sitranina, Almà 15:8 .
Nositraniny ny tsirairay avy taminy, 3 Ne. 17:9 .
Izay manam-pinoana Ahy mba ho sitranina, dia ho sitrana, F&F 42:48 .
Amin’ny anarako no hanasitranany ny marary, F&F 84:68 .