Tsy Fahamarinana Jereo koa Fahalotoana; Fahamarinana (toetra); Faharatsiana; Fahotana; Tsy an’ Andriamanitra Ratsy fanahy, tsy marina; olona izay tsy tia an’ Andriamanitra na ny zavatr’ Andriamanitra sady tsy manohana ny asany. Ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’ Andriamanitra, 1 Kor. 6:9–10. Hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, 2 Tes. 2:12. Afaka manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra i Jesoa Kristy, 1 Jn. 1:9. Avilivilin’ny mpanjaka tsy marina iray ny lalan’ny fahamarinana rehetra, Môzià 29:23. Ny fanorenana ny faharavana dia manomboka alatsaka noho ny tsy fahamarinan’ny mpahay lalàna sy ny mpitsara, Almà 10:27. Izaho maniraka anareo handevilevy izao tontolo izao noho ny asany tsy marina rehetra, F&F 84:87. Ilaina ho voadio amin’ny tsy fahamarinana rehetra ny fanahy, F&F 88:17–18. Toetra sy efa saika fomban’ny olon-drehetra ny manomboka mampihatra fitondrana tsy marina, F&F 121:39.