Ilay Voahosotra Jereo koa Jesoa Kristy; Mesia Jesoa dia atao hoe Kristy (teny Grika) na ny Mesia (teny Aramaika). Samy midika hoe “Ilay voahosotra” izany. Izy no Ilay voahosotry ny Ray ho solon-tena manokan’ny Ray amin’ny zavatra rehetra mikasika ny famonjena ny olombelona. Efa nanosotra ahy ny Tompo, Isa. 61:1–3. Efa nanosotra olona iray hitory ny filazantsara izy, Lio. 4:16–22. Efa nohosoran’ Andriamanitra Ray i Jesoa, Asa 4:27. Nanosotra an’i Jesoa avy any Nazareta Andriamanitra, Asa 10:38.