Fitondram-panjakana Jereo koa Lalampanorenana Rehefa miverina i Jesoa Kristy dia hatsangany ny fitondram-panjakan’ny fahamarinana. Ny fanapahana dia ho eo an-tsorony, Isa. 9:6 (2 Ne. 19:6). Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara, Mat. 22:21 (F&F 63:26). Maneke ny fahefan’ny mpitondra fanjakana, Roma. 13:1. Mivavaha ho an’ny mpanjaka sy izay rehetra manana fahefana, 1 Tim. 2:1–2. Maneke ny mpanapaka sy ny manana fahefana ary ankatoavy ny mpitsara, Tito. 3:1. Noho ny amin’ny Tompo dia maneke ny fahefana rehetra misy eo amin’ny olombelona, 1 Pet. 2:13–14. Jesoa Kristy no ho mpanjaka farany amin’ny tany, Apôk. 11:15. Manàna olo-marina ho mpanjakanareo, Môzià 23:8. Ataovy amin’ny alalan’ny latsa-batom-bahoaka ny raharahanareo, Môzià 29:26. Kristy no ho mpanapaka antsika rehefa avy Izy, F&F 41:4. Izay mitandrina ny lalàn’ Andriamanitra dia tsy tokony handika ny lalàn’ny tany, F&F 58:21. Rehefa manapaka ny olon-dratsy, dia mitoloko ny vahoaka, F&F 98:9–10. Apetrak’ Andriamanitra ny fitondram-panjakana ho tombontsoan’ny olombelona, F&F 134:1–5. Tokony hanohana sy hanoa ny fitondram-panjakana ny olona, F&F 134:5. Isika dia mino ny fanoavana ny mpanjaka, ny filoha, ny mpanapaka ary ny mpitsara, Fp. 1:12.