Vatolampy Jereo koa Fanambarana; Filazantsara; Jesoa Kristy Enti-maneho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izay fototra sy andry mafy orina (F&F 11:24; 33:12–13). Ny vatolampy dia mety koa maneho fanambarana izay entin’ Andriamanitra mampahafantatra ny filazantsarany amin’ny olona (Mat. 16:15–18). Izy no vatolampy, tanteraka ny asany, Deot. 32:4. Andriamanitra no vatolampiko, Izy no ialofako, 2 Sam. 22:2–3. Nisy vato voaendaka nefa tsy nendahan-tanana, Dan. 2:34–35. Naorina teo ambonin’ny vatolampy izany, Mat. 7:25 (3 Ne. 14:25). Jesoa Kristy no vato izay nolavina, Asa 4:10–11. I Kristy izany vatolampy izany, 1 Kor. 10:1–4 (Eks. 17:6). Izay miorina eo ambony vatolampy dia mandray ny fahamarinana, 2 Ne. 28:28. Nolavin’ny Jiosy ny vato [Kristy] izay hahafahany manorina eo amboniny, Jkb. 4:15–17. Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika no tsy maintsy anorenantsika ny fototra, Hel. 5:12. Na zovy na zovy no manorina eo amin’ny fotopampianaran’i Kristy dia manorina eo ambonin’ny vatolampiny, ary tsy hianjera izy rehefa tonga ny safo-drano, 3 Ne. 11:39–40 (Mat. 7:24–27; 3 Ne. 18:12–13). Ny lehilahy malina manorina ny tranony eo amin’ny vatolampy, 3 Ne. 14:24. Raha miorina amin’ny vatolampiko ianareo, dia tsy afaka mandresy ny tany sy ny helo, F&F 6:34. Izay manorina eo ambonin’ity vatolampy ity dia tsy hianjera na oviana na oviana, F&F 50:44. Izaho no Mesia, ny Mpanjakan’i Ziona, ny Vatolampin’ny lanitra, Mos. 7:53.