Hiram-piderana Jereo koa Mihira; Mozika Hira fankalazana an’ Andriamanitra Nanao hiram-piderana ny Apôstôly Roa ambin’ny folo talohan’ny nitokanan’ny Tompo tao Getsemane, Mat. 26:30. Niantso an’i Emma Smith ny Tompo mba hanao fifantenana ireo hiram-pivavahana masina, F&F 25:11. Ny hiran’ny marina dia vavaka ho Ahy ary hovaliana amin’ny fitahiana eo ambony lohany izany, F&F 25:12. Miderà ny Tompo amin’ny hira sy amin’ny mozika, F&F 136:28.