Fahababoana Jereo koa Afaka Ao anatin’ny fatoran’ny vatana na ny fanahy. Azo babo ny mpianakavin’i Isiraely noho ny helok’izy ireo, Ezek. 39:23. Raha misy mamabo, dia mba hobaboina kosa izy, Apôk. 13:10. Ny olon-dratsy dia havarina any amin’ny fambaboan’ny devoly, 1 Ne. 14:4, 7. Afaka ny olona na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay na ny fahababoana sy ny fahafatesana, 2 Ne. 2:27. Ny sitrapon’ny nofo dia manome hery ny fanahin’ny devoly mba hambabo, 2 Ne. 2:29. Moa va ianareo efa nahatahiry tsara ny fahatsiarovana ny fahababoan’ny razanareo, Almà 5:5–6. Ireo izay manamafy ny fony dia entin’ny devoly ho babo, Almà 12:11. Miambina sy mivavaka mandrakariva ianareo, fandrao halain’ny devoly fanahy ary hoentiny ho babo, 3 Ne. 18:15.