Ny fametrahana ny tanana eo amin’ny lohan’ny olona dia anisan’ny ôrdônansin’ny fisoronana. Maro amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana no tanterahina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana, toy ny fanokanana, ny tsodrano, ny fitsofan-drano ny marary, ny fandraisana ho mpikambana ao amin’ny Fiangonana ary ny fanomezana ny Fanahy Masina.
Nametraka ny tanany teo amin’ny marary vitsivitsy i Jesoa ka nanasitrana azy, Mar. 6:5 (Môrm. 9:24 ).
Nametra-tanana tamin’izy fito lahy izay hanampy azy ny Apôstôly, Asa 6:5–6 .
Nomena tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana ny Fanahy Masina, Asa 8:14–17 .
Nametra-tanana tamin’i Saoly i Ananiasy ka nampahiratra ny masony, Asa 9:12, 17–18 .
Nametra-tanana taminy i Paoly ka nanasitrana azy, Asa 28:8 .
Nampianatra ny fotopampianaran’ny batisa sy ny fametrahan-tanana i Paoly, Heb. 6:2 .
Nanokana mpisorona sy loholona tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana i Almà, Almà 6:1 .
Nomen’i Jesoa ny mpianany ny fahefana hanome ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana, 3 Ne. 18:36–37 .
Amin’izay hametrahanareo tanana no hanomezanareo ny Fanahy Masina, Môrô. 2:2 .
Tokony hametra-tanana amin’ny ankizy sady hitsodrano azy ny loholona, F&F 20:70 .
Handray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana izy ireo, F&F 35:6 (Fp. 1:4 ).
Hametra-tanana amin’ny marary ny loholona, F&F 42:44 (F&F 66:9 ).
Tokony hametrahan-tanana ny ankizy aorian’ny batisa, F&F 68:27 .
Raisina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana ny fisoronana, F&F 84:6–16 .