Vehivavy Jereo koa Olona; Rahalahy; Rahavavy Vehivavy lehibe, zanakavavin’ Andriamanitra. Indraindray dia ampiasaina ho mari-panajana ny teny hoe vehivavy ao amin’ny soratra masina (Jao. 19:26; Almà 19:10). Andriamanitra nahary ny lehilahy sy ny vehivavy, Gen. 1:27 (Mos. 2:27; 6:9; Abr. 4:27). Ny tomban’ny vehivavy tsara dia mihoatra lavitra noho ny voahangy, Ohab. 31:10–31. Ny vehivavy no voninahitry ny lehilahy, 1 Kor. 11:7. Tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy ao amin’ny Tompo, 1 Kor. 11:11. Ny vehivavy dia tokony hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika, 1 Tim. 2:9–10. Izaho Tompo Andriamanitra, dia finaritra amin’ny fahadiovam-pitondrantenan’ny vehivavy, Jkb. 2:28. Voavela ny helokao, ary ianao dia vehivavy nofinidy, F&F 25:3. Ny vehivavy dia manana zo hahazo fanohanana avy amin’ny vadiny, F&F 83:2.