Ray any an-danitra Jereo koa Andriamanitra Ny rain’ny fanahin’olombelona rehetra (Sal. 82:6; Mat. 5:48; Jao. 10:34; Roma. 8:16–17; Gal. 4:7; 1 Jn. 3:2). Jesoa Kristy no Zanaka Lahitokany tao amin’ny nofo. Nodidina ny olona hankatò sy hanaja ny Ray ary hivavaka aminy amin’ny anaran’i Jesoa. Raha mamela ny fahadisoan’ny olona ianareo, dia hamela ny anareo kosa ny Rainareo any an-danitra, Mat. 6:14 (Mat. 18:35; 3 Ne. 13:14). Fantatry ny Rainareo any an-danitra fa mila ireny zavatra rehetra ireny ianareo, Mat. 6:26–33 (3 Ne. 13:26–33). Tsy mainka va ny Ray, izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy, Lio. 11:11–13. Isaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Ef. 1:3. Raiki-trosa mandrakizay amin’ny Rainareo any an-danitra ianareo, Môzià 2:34. Nankalaza ny anaran’ny Ray i Kristy, Ete. 12:8. Tokony ho vavolombelona hanambara ny fanenjehana azy ireo ny Olomasina mialoha ny hivoahan’ny Ray avy ao amin’ny toerany miafina, F&F 123:1–3, 6. Tojo fitahiana lehibe sy be voninahitra avy amin’ny Raintsika any an-danitra izahay, JS—T 1:73.