Sema
Ao amin’ny Testamenta Taloha, lehilahy marina zanak’i Noa, ary araka ny lovantsofina dia razamben’ireo Semita izay ahitana ny Arabo, ny Hebreo, ny Babyloniana, ny Syriana, ny Foinisiana, ary ny Asyriana (Gen. 5:29–32; 6:10; 7:13; 9:26; 10:21–32; Mos. 8:12). Antsoina hoe “ilay mpisorona avo lehibe” i Sema ao amin’ny fanambaran’ny andro farany (F&F 138:41).