Famaizana ho Faty Jereo koa Famonoan’olona Famaizana ho faty noho ny heloka vita, mifandraika indrindra amin’ny famaizana noho ny vonoan’olona. Izay mandatsaka ran’olona, dia mba halatsak’olona koa ny rany, Gen. 9:6 (DJS, Gen. 9:12–13). Hatao maty tokoa izay mahafaty olona, Nom. 35:16. Ny mpamono olona izay minia mamono dia ho faty, 2 Ne. 9:35. Voaheloka ho faty ianao araka ny lalàna, Almà 1:13–14. Izay namono olona dia nofaizina tamin’ny famonoana ho faty, Almà 1:18. Ny lalàna dia mitaky ny ain’izay efa namono olona, Almà 34:12. Izay mamono olona dia ho faty, F&F 42:19.