Ny dingana hahatongavana amin’ny fahafahana amin’ny fahotana, ho madio, ho tsisy pentina ary ho masina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (Mos. 6:59–60 ).
Andriamanitra efa nifidy anareo hahazo famonjena amin’ny fanamasinan’ny Fanahy, 2 Tes. 2:13 .
Ny nanaterana ny tenan’i Jesoa Kristy no nanamasinana antsika, Heb. 10:10 .
Niaritra i Jesoa mba hanamasinany ny olona amin’ny rany, Heb. 13:12 .
Nohamasinina ny mpisorona avo, ary nosasana ho fotsy tamin’ny ran’ny Zanakondry ny fitafiany, Almà 13:10–12 .
Ny fanamasinana dia tonga tamin’ireo nanolotra ny fony ho an’ Andriamanitra, Hel. 3:33–35 .
Mibebaha mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina, 3 Ne. 27:20 .
Ny fanamasinana amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy dia mahitsy sy marina, F&F 20:31 .
Tonga i Jesoa mba hanamasina izao tontolo izao, F&F 76:41 .
Manamasina ny tenanareo mba tsy hibanjina afa-tsy Andriamanitra ny sainareo, F&F 88:68 .