Fananana fiadanana sy fahafahana amin’ny ahiahy sy ny tebiteby. Nampanantena izany fitsaharana izany mandritra izao fiainana izao amin’ny mpanaraka mahatoky azy ny Tompo. Manomana toeram-pitsaharana ho azy ireo any amin’ny fiainana ho avy koa Izy.
Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa izaho no hanome anareo fitsaharana, Mat. 11:28–29 .
Niasa tamim-pahazotoana izahay mba hahazoan’izy ireo miditra ao amin’ny fitsaharany, Jkb. 1:7 (Heb. 4:1–11 ).
Koa na zovy na zovy no mibebaka, dia hiditra ao amin’ny fitsaharako izy, Almà 12:34 .
Nisy maro, marobe izaitsizy tokoa, izay efa nodiovina ary niditra ny fitsaharan’ny Tompo, Almà 13:12–16 .
Ny paradisa, dia toetry ny fitsaharana, Almà 40:12 (Almà 60:13 ).
Tsy misy na inona na inona miditra ao amin’ny fitsaharany afa-tsy ireo izay efa nanasa ny fitafiany tamin’ny rako, 3 Ne. 27:19 .
Mitoria fibebahana amin’ity vahoaka ity, mba hahazoanao miara-miala sasatra aminy ao amin’ny fanjakan’ny Raiko, F&F 15:6 (F&F 16:6 ).
Ireo izay maty dia hitsahatra amin’ny asany rehetra, F&F 59:2 (Apôk. 14:13 ).
Ny fitsaharan’ny Tompo dia ny fahafenoan’ny voninahiny, F&F 84:24 .