Fangorahana Jereo koa Famindram-po; Fiantrana; Fitiavana Ny hevitra ara-bakiteny ny hoe fangorahana ao amin’ny soratra masina dia “miaraka ory.” Ny heviny koa dia ny hoe maneho fo onena, alahelo, ary famindram-po amin’ny hafa. Niantso ny olony ny Tompo mba haneho fangorahana, Zak. 7:8–10. Nentanin’ny fangorahana i Jesoa, Mat. 9:36 (Mat. 20:34; Mar. 1:41; Lio. 7:13). Nangoraka azy ny Samaritanina iray, Lio. 10:33. Miaraha ory, 1 Pet. 3:8. Heniky ny fangorahana ny zanak’olombelona i Kristy, Môzià 15:9. Heniky ny fangorahana anareo ny kiboko, 3 Ne. 17:6. Nitalaho ny fangorahan’ny Tompo i Joseph Smith, F&F 121:3–5.