Andro Sabata
Andro masina iray natokana isan-kerinandro ho fitsaharana sy fitsaohana. Taorian’ny naharian’ Andriamanitra ny zava-drehetra, dia nitsahatra Izy tamin’ny andro fahafito, ary nandidy ny hanaovana andro iray isan-kerinandro ho andro fitsaharana mba hanampiana ny olona hahatsiaro Azy (Eks. 20:8–11).
Talohan’ny nitsanganan’i Kristy tamin’ny maty, dia nitandrina ny andro farany amin’ny herinandro ho Sabata ny mpikamban’ny Fiangonana, tahaka izay nataon’ny Jiosy. Taorian’ny Fitsanganana tamin’ny maty, ny mpikamban’ny Fiangonana, na Jiosy na Jentilisa, dia nitandrina ny andro voalohan’ny herinandro (ny andron’ny Tompo) mba hahatsiarovana ny Fitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty. Manohy mitandrina andro iray isan-kerinandro ny Fiangonana ankehitriny, ho andro sabata masina hiderana an’ Andriamanitra sy hitsaharana amin’ny raharahan’izao tontolo izao.
Ny Sabata dia mampahatsiahy ny olona ny filany sakafo ara-panahy sy ny adidiny hankatò an’ Andriamanitra. Rehefa mitombo amin’ny tsy firaharahiana ny fitandremana ny Sabata ny firenena iray, dia voakasika avokoa ny lafim-piainana rehetra ary tonga simba ny fiainany ara-pivavahana (Neh. 13:15–18; Jer. 17:21–27).