Asa fanompoana Jereo koa Asa Fanasoavana; Fitiavana Fikarakarana na asa atao ho tombontsoan’ Andriamanitra sy ny hafa. Rehefa manompo ny hafa isika dia manompo an’ Andriamanitra koa. Fidionareo anio ary izay hotompoinareo, Jos. 24:15. Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko, Mat. 25:35–45. Atolory ny tenanareo ho fanatitra velona, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany, Roma. 12:1. Mifampanompoa amin’ny fitiavana, Gal. 5:13. Holaniana amin’ny fanompoana ny Andriamanitrao anie ny andronao, 2 Ne. 2:3. Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo, Môzià 2:17. Ireo izay mizaka ny tany nampanantenaina dia hanompo an’ Andriamanitra na hofaohina, Ete. 2:8–12. Ireo izay mirotsaka amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra dia tokony hanao izany amin’ny fo rehetra, F&F 4:2. Nomen’ny Tompo didy ny olona ho tia sy hanompo Azy, F&F 20:18–19. Hanompo an’ Andriamanitra ianao amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, F&F 59:5. Izaho Tompo dia finaritra ny hankalaza ireo izay manompo Ahy, F&F 76:5. Derao Andriamanitra fa Izy irery ihany no hotompoinao, Mos. 1:15.