Saha Jereo koa Izao Tontolo Izao; Tanimbolin’ny Tompo Ao amin’ny soratra masina toerana midadasika, natao hambolena sy ho kijana. Sarin’izao tontolo izao sy ny mponina eo aminy izany matetika. Ny saha dia izao tontolo izao, Mat. 13:38. Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny raki-tsoa nafenina tany an-tsaha, Mat. 13:44. Nahatazana saha iray malalaka sy midadasika aho, 1 Ne. 8:9, 20. Masaka ny teo an-tsaha, Almà 26:5. Efa masaka sahady ny eny an-tsaha mba hojinjaina, F&F 4:4 (F&F 6:3; 11:3; 12:3; 14:3; 31:4; 33:3, 7). Izao tontolo izao no saha, F&F 86:1–2. Ireo fanjakana dia hohariko amin’ny lehilahy iray manana saha, F&F 88:51.