Zarahemlà Jereo koa Amôna, Tamingan’i Zarahemlà; Mioleka Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, Zarahemlà dia enti-manondro (1) ny lehilahy iray izay nitarika ny mpifindra monin’i Mioleka, (2) ny tanàna izay nampitondraina ny anarany, (3) ny tanin’i Zarahemlà na (4) ny vahoaka izay nanaraka azy. Nifaly noho ny nandefasan’ny Tompo ny Nefita i Zarahemlà, Ômn. 1:14. Nanome ny tetiaran’ny razambeny i Zarahemlà, Ômn. 1:18. I Amôna dia tamingan’i Zarahemlà, Môzià 7:3, 13. Niorina tao an-tanànan’i Zarahemlà ny Fiangonana, Almà 5:2. Noho ireo izay marina dia novonjena ny ratsy fanahy tao Zarahemlà, Hel. 13:12. Ny tanànan’i Zarahemlà dia nirehitra tamin’ny fahafatesan’i Kristy, 3 Ne. 8:8, 24.