Fitenenan-dratsy Jereo koa Fifandirana; Fifosana; Lainga; Tsaho Filazana zavatra izay diso, mandratra ary mamohehatra. Ny fitenenana toy izany ao amin’ny soratra masina dia mazàna atao amin’ny olona ka kendrena mihitsy ny hankarary azy. Arovy amin’ny ratsy ny lelanao, Sal. 34:13 (1 Pet. 3:10). Ny olon-dratsy mihady lavaka hanimbana, Ohab. 16:27. Sambatra ianareo raha hanaovan’ny olona izay teny ratsy rehetra hiampangana lainga anareo, Mat. 5:11 (3 Ne. 12:11). Avy ao amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, Mat. 15:19 (Mar. 7:21). Tsy hiteny ratsy ny mpanapaka anao ianao, Asa 23:5. Esory aminareo ny fitenenan-dratsy rehetra, Ef. 4:31. Aza mifanaratsy, Jak. 4:11. Ataovy izay tsy hisian’ny fifosana na ny fitenenan-dratsy, F&F 20:54.