Isimaela, Zanakalahin’i Abrahama Jereo koa Abrahama; Hagara Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny zanakalahin’i Abrahama sy i Hagara, ilay Egyptiana mpanompovavin’i Saray (Gen. 16:11–16). Nampanantena an’i Abrahama sy i Hagara ny Tompo fa ho tonga rain’ny firenena lehibe i Isimaela (Gen. 21:8–21). Ny fanekempihavanana dia ho tanteraka amin’i Isaka fa tsy amin’i Isimaela, Gen. 17:19–21 (Gal. 4:22–5:1). Nitahy an’i Isimaela Andriamanitra ka hahamaro ny taranany, Gen. 17:20. Nanampy tamin’ny fandevenana an’i Abrahama i Isimaela, Gen. 25:8–9. Nomena anarana ireo zanakalahin’i Isimaela roa ambin’ny folo, Gen. 25:12–16. Nodimandry i Isimaela, Gen. 25:17–18. Naka an’i Mahalota zanakavavin’i Isimaela ho vadiny i Isao, Gen. 28:9.