Ny fanokanan’ Andriamanitra mialoha ireo zanany ara-panahy mahafatra-po mba hahatanteraka ny asa anirahana sasantsasany mandritra ny fiainany ety an-tany.
Nomen’ Andriamanitra ny zara taniny ny olona, Deot. 32:8 .
Talohan’ny namoronako anao tao an-kibo no efa nanokanako anao ho mpaminany, Jer. 1:5 .
Andriamanitra no namaritra ny fotoana efa voatendry mialoha, Asa 17:26 .
Fa izay fantany mialoha no notendreny mialoha koa, Roma. 8:28–30 .
Efa nifidy antsika tao aminy Izy talohan’ny fanorenan’izao tontolo izao, Ef. 1:3–4 .
Efa voatokana mialoha i Jesoa Kristy mba ho Mpanavotra, 1 Pet. 1:19–20 (Apôk. 13:8 ).
Efa voafidy hatrany am-piandohana ny Zanaka Malalako, Mos. 4:2 .
Efa voafidy talohan’ny nahaterahany i Abrahama, Abr. 3:23 .