Fahalalahana Jereo koa Afaka; Fahababoana; Safidy Toetra na toe-tena ahafahana miasa sy misaintsaina malalaka. Ny fankatoavana ireo fitsipiky ny filazantsara dia manafaka ny olona amin’ny fatotra ara-panahy ateraky ny ota (Jao. 8:31–36). Ary handeha amin’ny malalaka aho: fa ny didinao no tadiaviko, Sal. 119:45. Ary izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no itoeran’ny fahafahana, 2 Kor. 3:17. Mitomoera ao amin’ny fahafahana izay nanafahan’i Kristy antsika, Gal. 5:1 (F&F 88:86). Afaka ny olona hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay, 2 Ne. 2:27. Ho tanim-pahafahana ity tany ity, 2 Ne. 10:11. Natsangan’i Môrônia teo anivon’ny Nefita ny fanevan’ny fahafahana, Almà 46:36. Mitory fanafahana amin’ireo fanahy babo ny Tompo sy ny mpanompony, F&F 138:18, 31, 42.