Mimonomonona Jereo koa Fikomiana Manakiana sy mitaraina ny amin’ny tanjon’ Andriamanitra, na ny drafiny na ny mpanompony. Nimonomonona tamin’i Mosesy ny vahoaka, Eks. 15:23–16:3. Dia nimonomonona tamin’i Jesoa ny Jiosy, Jao. 6:41. Nimonomonona tamin-javatra maro i Lamàna sy i Lemoela, 1 Ne. 2:11–12 (1 Ne. 3:31; 17:17). Aza mimonomonona noho ireo zavatra izay tsy hitanao, F&F 25:4.