Ny fahafahana manao zavatra iray. Ny fananana hery amin’ny olona na zavatra iray dia fananana fahafaha-mifehy na mandidy ilay olona na ilay zavatra. Ao amin’ny Soratra Masina, mazàna ny hery dia mifamatotra amin’ny herin’ Andriamanitra na ny herin’ny lanitra. Matetika izy dia mifandray akaiky amin’ny fahefan’ny fisoronana izay fahazoan-dalana na zo hiasa ho an’ Andriamanitra.
Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko, Eks. 9:16 .
Andriamanitra no heriko sy tanjako, 2 Sam. 22:33 .
Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy, raha eo an-tananao ny hery hanaovana izany, Ohab. 3:27 .
Izaho kosa dia feno hery, dia ny Fanahin’ny Tompo, Mika 3:8 .
Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany, Mat. 28:18 .
Dia talanjona ny olona tamin’ny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny, Lio. 4:32 .
Mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin’ny hery avy any amin’ny avo, Lio. 24:49 .
Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’ Andriamanitra, Jao. 1:12 (F&F 11:30 ).
Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, Asa 1:8 .
Tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’ Andriamanitra, Roma. 13:1 .
Arovan’ny herin’ Andriamanitra amin’ny finoana ianareo ho amin’ny famonjena, 1 Pet. 1:3–5 .
Heniky ny herin’ Andriamanitra aho, 1 Ne. 17:48 .
Nanehoana izany tamin’ny herin’ny Fanahy Masina aho, Jkb. 7:12 .
Ny olona iray dia mety hahazo hery lehibe omena azy avy amin’ Andriamanitra, Môzià 8:16 .
Nampianatra tamin’ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra izy ireo, Almà 17:2–3 .
Nanompo tamin’ny hery sy ny fahefana lehibe i Nefia, 3 Ne. 7:15–20 (3 Ne. 11:19–22 ).
Na mety hanana hery hanaovana asa mahatalanjona maro aza ny olona iray, kanefa raha mirehareha amin’ny herin’ny tenany izy, dia tsy maintsy lavo izy, F&F 3:4 .
Ao amin’ny olona tsirairay ny hery hanao ny tsara, F&F 58:27–28 .
Miharihary ao amin’ny ôrdônansin’ny fisoronana Melkizedeka ny herin’ny toetran’ Andriamanitra, F&F 84:19–22 .
Ny zon’ny fisoronana dia mifamatotra tsy azo sarahina amin’ny herin’ny lanitra, F&F 121:34–46 .