Haizim-panahy Jereo koa Faharatsiana Faharatsiana na tsy fahalalana ny zava-panahy. Lozan’izay manao ny haizina ho hazavana, Isa. 5:20 (2 Ne. 15:20). Ny haizina hanarona ny tany ary ny haizina matevina hanarona ny firenena, Isa. 60:2. Jesoa Kristy dia hanome hazavana ho an’ireo izay mipetraka ao amin’ny haizina, Lio. 1:79. Mamirapiratra ao amin’ny haizina ny hazavana fa ny haizina tsy mahazo azy, Jao. 1:5 (F&F 45:7). Ario ny asan’ny maizina ary itafio ny fiadian’ny mazava, Roma. 13:12. Aza manana fifandraisana amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, Ef. 5:8–11. Satria tsy mangataka ianareo, dia tsy entina eo amin’ny mazava ianareo fa tsy maintsy ho faty ao amin’ny haizina, 2 Ne. 32:4. Manely ny asan’ny maizina i Satana, Hel. 6:28–31. Manjaka eto an-tany ny herin’ny maizina, F&F 38:8, 11–12. Mitoloko eo ambanin’ny haizina sy ny ota izao tontolo izao iray manontolo, F&F 84:49–54. Raha tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitro ny masonareo, dia tsy hisy haizina ao anatinareo, F&F 88:67. Nanomboka nanjakan’ny asan’ny maizina teo anivon’ny zanak’olombelona rehetra, Mos. 5:55.