Mpanalalana Jereo koa Jesoa Kristy; Sorompanavotana Mpampihavana na mpanelanelana. I Jesoa Kristy no mpanalalana amin’ Andriamanitra sy ny olona. Ny Sorompanavotana nataony no nanokatra ny lalana ahafahan’ny olona mibebaka amin’ny fahotany sy mamitra-pihavanana amin’ Andriamanitra. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Jao. 14:6. Iray no mpanalalana amin’ Andriamanitra sy ny olona, 1 Tim. 2:5. I Kristy no mpanalalana amin’ny fanekena tsara lavitra, Heb. 8:6 (Heb. 9:15; 12:24; F&F 107:19). Hanao fanalalanana ho an’ny zanak’olombelona rehetra ny Mesia Masina, 2 Ne. 2:9 (Isa. 53:12; Môzià 14:12). Tokony hiandrandra Ilay Mpanalalana lehibe ianareo, 2 Ne. 2:27–28. Tanteraka amin’ny alalan’i Jesoa ilay mpanalalan’ny fanekempihavanana vaovao isika, F&F 76:69.